Litera a
Ambonivohitra: a.: Renivohitra na tanĂ n-dehibe mifanahatahaka amin'ny renivohitra: Mandany be izany mivelona
tohiny
Ambontso: a.: Trondron-dranomasina misy vombony te-Io eo an-tampon-damosihy ary roa amin'ny fanambaniny; tsara…tohiny
Ambony: p.t.: Amin'ny toerana avoavo kokoa miolotra amin'ny hafa: Any amin'ny rihana ambony izy no mipetraka.…tohiny
Ambora: a.: Hazo mafy sy mateza tsy mety lo ka nanaovan'ny Ntaolo vata fandevenana ny Andriana. Natao fanompoana…tohiny
Amboradara: a.: Fomban-jaitra izay anasiana loadoaka kely madinika ny lamba mba ha-tao haingony.
tohiny
Amboramaitso: a.: Zavamaniry fanao ody tazo ny fakany (Strychnopsis thouarsii).
tohiny
Amboramangidy: a.: Hazo izay mangidy fatratra ny voany.
tohiny
Amboramanitra: a.: Karazankazo ahazoana dity manitra.
tohiny
Amborasaha: a.: Zavamaniry fanao ody tazo manampy ny kininina ny fakany, sady manakely ny atodintazo (Burasaia madagascarensis),…tohiny
Amborasamanitra: a.: Zavamaniry fanao ody tazo ny fakany sady manakely ny atodintazo (Burasaia gracilis).
tohiny
Amboravato: a.: Hazo izay mafy fatratra.
tohiny
Amborifotsy: a.: Ny onja mifanena ka mifandona, na midona amin'ny vatolampy, ka mandroatra fotsy sy mamorivory. tohiny
Amborodao: a.: Sary mievotra vita amin'ny kofehy apetaka amin'ny lamba. ? Galona, ravaky ny fitafian'ny manamboninahitra.…tohiny
Ambosina: (ambosy), mt. ih. (ambosio): Amporisihina, tarihina, taomina, angolena (na amin'ny tsara na amin'ny…tohiny
Ambosy: a.: Famporisihana olona hanao zavatra iray. ? Famporisihana, famokisana olona tsy hanaiky, tsy hankasitraka.…tohiny
Ambotonona: a.: Hazo madinika, karazana vahy, ampiasain'ny olona hatao famotsianify.
tohiny