Litera a
Aherahera: (herahera), mt. at. (aheraherao): Atao mitarozaka ela vao aloa (trosa): Aza aherahera ny volako fa misy…tohiny
Aherika: (herika), mt, at. (ahereho): Avily, ahodivitra (ny maso): Ahereho ny masonao tsy hijery zavatra mety…tohiny
Aherongerona: (herongerona), mt. at. (aherongerony): Ampitahorina, rahonana.
tohiny
Ahevaheva: (hevaheva), mt. at. (ahevahevao): Atao tsy mitehi-tany fa mihantona eny amin'ny habakabaka.
tohiny
Ahevingevina: (heuingeuina), mt. at. (aheuingeueno): Akivilivily, avezimbezina.
tohiny
Ahevitra: (heuitra), mt. fit. (aheuero): Entina mihevitra, mandinika: Ny saina no ahevitra, fa tsy ny fo.
tohiny
Ahevo: (heuo), mt. fit. (aheooy): Entina mihevo, manapoipoitra ny tany eny anaty voly tsy ho rendrika: It?…tohiny
Aheza: (heza), mt. fit. (ahezao) Entina maneza na manamboatra ny landy mba handaitra tsara ny loko atao aminy:…tohiny
Ahezaheza: (hezaheza), mt. at. (ahezahezao): Ajoro, atsangana mijoro tsara: Nahezahezany teo anoloan'ny vahoaka…tohiny
Ahiahy: (ahy), a.: Tsy fandrian'ny eritreritra: Mazàna tsy mahita tory ny olona be ahiahy. 1 Fitorotorohana…tohiny
Ahiapana: a.: Zavamaniry sady mahabe hatsembohana no manadio rano ny raviny (Eupatorium triplinerve).
tohiny
Ahibahoaka: a.: Anarana entimilaza ny ravin'ny tsevoka na tenina izay anafoana trano.
tohiny
Ahibibilava: a.: Karazan'ahitra. Ahibita a.: Karazan'ahitra. --le Ahibitsika a: Karazan'ahitra. Ahiboanjoa: Karazan'ahitra.…tohiny