Dikan'ny teny : zavakanto

Hampiditra dikany hafa
a.: Ny zavakanto, dia hetsiky ny olombelona, na vokatry ny hetsiny, manana tanjona mandamina ny zavatra mikasika ny fitsapa, ny fahatairana ary ny haranitan-tsaina. Ny dikany dia miova arakaraky ny toerana isiana sy arakaraky ny taona, ary tsy misy amin'ireo no tena eken'ny rehetra. Izay antony isokajiana ny vokatra ara-javakanto arakaraky ny kolontsaina, ny mpanao sy ny fianarana. Araka ny fampiasana matetika nitranga nandritra ity taonjato faha 21 ity, ny zavakanto dia mandrakotra ny vokatry ny « zavakanto tsara » toy ny arsitektiora (maritrano), ny sary sikotra, ny hosodoko, ny mozika, ny dihy ary ny tononkalo (ao amin'ny haisoratra), ao koa ny sinema, ny sokitra, ny teatra, ny fakana sary, ny tantara an-tsary, ny televiziôna, hatrany amin'ny zavakanto arakisa (numérique). Ny fisokajiana ny zavakanto dia tsy mitovy manerana izao tontolo izao ary afatsy ny sinema (zavakanto faha fito) nanana fahombiazana manokana, ny fisokajiana ny zavakanto rehetra amin'ny fomba eken'ny rehetra dia tsy afaka atao, ary tsindraindray tsy ilaina. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0073