Dikan'ny teny : tanana

Hampiditra dikany hafa
1. Tanàna a.: Vohitra lehibe misy arabe migodana sy trano lehibe voalahadahatra arapomba mahafinaritra ny maso ary kianja malalaka isankarazany: Mipetraka any antanàna izy fa tsy et? ambanivohitra. ? F.-p.: Tanàna masina: toerana nonenan'ny razan'Andriana fahiny ka nohajain' ny Ntaolo fatratra, manana ny fadiny, nangalana rano amin'ny Fandroana nihasinan'ny mpanjaka. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2. a.: Rantsam-batana hatreo amin'ny hatotanana ka hatramin'ny rantsantanana, ary ampiasaina handray sy hikasika ary hitana zavatra: Manasà tanana alohan'ny hisakafo. - F.-p.: Lava tanana: fangalarina. / Mafana tanana: enti-milaza olona izay mety ha-nimba ny fikasihany tanana. / Mafy tanana: kahidy. / Manasa tanana amin'izany aho: tsy mandray anjara amin'izany aho ka miala amin'izay mety ho vokany. / Mandray tanana, fandraisantanana: manolotra vola kely ho fiarahabana olona vao tonga. / Masin-tanana: mahomby rehefa manasitrana, na mikasi-tanana izany, na manome fanafody. / Mitondra tanam-polo: mody maina fa tsy nahazo. / Tanam-bokovoko: sari-na tsipika roa mifanapaka, na mandry izany (X) na mijoro ( + ). / Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
3. (tana) mt. ih. (tano): Gejaina amin'ny tanana, tazonina, fihinina: Tano tsara ny tady sao mianjera ianao. ? Hazonina, tsy avala ho very, ho lasa: Tano ny azo fa sarotra ny mita. ? Hazonina, tsy avala hivoaka: Notanany tao aminy ny zanany roa. ? Tehirizina; tsaroana: Notanany tao am-pony ireo teny ireo. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0073