Dikan'ny teny : safosafo

Hampiditra dikany hafa
a.: Tambitamby atao amin'ny tanana mandambolambo moramora mba hamalifaliana: Safosafo no mampatory an'io zaza io. ¶ M. h.: Tambitamby, tehatehaka. * Teny mamy feno fitiavana sady mandambolambo: Aza mihevitra ianao fa ho azonao amin'ny safosafo aho. ¶ M. h.: Tambitamby, fanambatambazana, kolikoly, fanolikolena, fanejokejoana, fanojikojiana, famalifaliana. ? Entina milaza ny firefarefan'ny fitafiana amin'ny tany na ny fanidin'ny vorona mila hikasika ny tany. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2099