Dikan'ny teny : sabodika
Hampiditra dikany hafa
a.: Fanakorontanana, fikorontanana; fanodinkodinana amin'ny teny na amin'ny fanaovan-javatra mba hampifamadika sy hampifandiso amin'izay tena izy sy marina; fifandisoana sy fifangaroan'ny teny sy ny zavatra atao. - t.i.f. : Sabodehina, asabodika, voasabodika, tafasabodika / manasabodika, fanasabodika, mpanasabodika / anasabodihana, fanasabodihana / misabodika, fisabodika, mpisabodika / isabodihana, fisabodihana.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha