Dikan'ny teny : pesta

Hampiditra dikany hafa
(fr. peste) a.: Areti-mifindra mahatahotra aoka izany, izay misy karazany roa: ny "peste bubonique" sy ny "peste pulmonaire": ilay voalohany dia azo avy amin' ny kaikitry ny parasy tratran'io aretina io noho ny nanaikerany voalavo narary, ka ny amantarana azy dia ny fisehoana atodintaria eo amin'ny tata na ambany hetika; ny "peste pulmonaire" kosa, izay miendrika amonia dia mifindra mivantana avy amin'ny olona voany ka anisan'ny aretina mora mifindra indrindra. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0075