Dikan'ny teny : mitsidika
Hampiditra dikany hafa
(tsidika) mt. P. (mitsidiha): Mamangy miserana fotsiny: Nandalo teo andrefan-tranonareo aho ka dia nitsidika. ? Miseho kely na mijery eo am-baravarankely:Nitsidika teo am-barauarana izy nijery ny lalana nalehan'ny zandriny. ? Manomboka (enti-milaza ny andro na ny fizaran-taona): Efa mangatsiaka sahady izy izany, nefa vao mitsidika ny ririnina. - F.-p.: Mitsidika andro: enti-milaza ny fotoana aorian' ny mitataovovonana, rehefa mihilana kely iny ny masoandro ka mitsidika eo ambaravarambe ny tarany.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha