Dikan'ny teny : mindrana

Hampiditra dikany hafa
(indrana) mt. s. (mindrama): Mangataka zavatr' olona mba hanaovana na hampiasaina vetivety fa haverina rehefa avy eo: Mindrana boky amin'ny namana. ~ Miangavy olona hanao raharahan'ny tena: Nindrana ahy izy mba handatsaka ny zanany. - F.-p,: Tsy manati-mindrana: tsy mamerina ny zavatra nindramina. / Vorona mindram-bobo: fisehoana tsy ara-ka ny tena toetran'ny tena fa amboamboarina fotsiny hanodoka an'izay mahita ny tena. / Mindran-tso fina: entimilaza olona tsy manche tsara loatra ka manontany ny hafa, lalodalovana tsy mahare tsara ka izay lazain'ny olona no mba lazainy koa. * Ohab.: Mindram-pangady lohataona ka maniraka ny tompony hiasa: ny findraman-javatra amin'ny fotoana fampiasan'ny olona azy dia tahaka ny manome hevitra ny tompony hampiasa azy na dia tsy nivonona ny amin' izany aza izy. / Ibaikamo mindram-pangady, ka "ara mahita ante aho": ilazana olona tsy te hiasa ka mirary ny tsy hahitany angady hiasany, na olona manao alasafay fotsiny ka toa vos-tory hanao zavatra nefa tsy araka ny fony akory. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0898