Dikan'ny teny : miloloha

Hampiditra dikany hafa
(loloha) mt, p. (milolohava) :Mitondra (zavatra) eo ambony loha: Hitako niloloha sobiky nankany antsaha any izy. • Manampy, manohana havana sahirankirana: Iza indray no hiloioha ireo havam-badinao sahirana ireo raha tsy ianao? • Misahana zavatra betsaka maro karazana: Niloloha raharaha betsaka loatra izy. - F.-p.: Miloloha lamba: teny enti-milaza ny mpamosavy. / Miloloha rano roa siny: misahana na manao raharaha maro miaraka. J Miloloha tsy mihalana: manao kitoatoa toy ny manomboka raharaha nefa tsy maminavina akory ny vola holanina amin'izany. * Ohab.: Miloloha lanitra ka lena: enti-milaza fa ny olombelona dia mety diso na mety ho voan-javatra, toy ny aretina, ny voina... (matetika io fitenenana io dia ampiarahina amin'ny hoe: "Man-dia tany ka lavo..."). Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.007