Dikan'ny teny : milofo

Hampiditra dikany hafa
1. (lofo) mt. s. (milofosa): Miezaka amin-kiry, mampiasa ny hery rehetra azo a-tao, mikely aina: Nilofo mafy tamin'ny fianarana izy ka tsy mahagaga raha afa-panadinana. ΒΆ M.h.: Mikofo, mifofotra, mikezaka, miezaka, milozoka, mikokotra (mikikitra), mikoko-maty, mikely aina, mimaso, mikiry, mikiribiby, manao salaka fohy rambo, manao sakafo ambany foitra, mandany mondron-kery, tsy mitandro hasasarana, tsy mitarain-tanana ompaka, tsy mikely soroka, mivaky tratra, fola-damosina, mandany ron-doha, mimokitra, mimokimoky, miokitra, mikoremby, misikim-ponitra, mialakaforo, mialakabontana, miady fo, tsy miroa fo, tsy manamohamo, tsy mikoso-maso, may volon' orona, may volon-tratra, miongo-bolo, miady fo aman' aina, manao anjolofo, manao kely andilana, milofika, tsy misatry fanahy, tsy mandala aina, mikaozatra, mitozo, manao valangitrika, manao ' amboa ditsika, manao lazo be, manao ain-tsy ho zavatra, manao ampinga tratra, manao vy very ny aina, tsy manary karama, tsy miala vehana, manao botraika, manao an-ditra, manao an'aina, tsy mandry andro tsy mandry alina, miantotomaty, sady mifofotra no mively vy. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2. (lofo) mt, s.: Manana omby hovonoina hatao loto. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0077