Dikan'ny teny : milentika

Hampiditra dikany hafa
(lentika) mt. s. (milenteha): Misitrika ao anaty rano, difotra ao anaty rano: Nidiran'ny rano ny lakana ka nilentika. 1 Lasa nidify any am-badiky ny faravodilanitra: Amin'ny enina izao no milentika ny masoandro. • Mihamifatratra, mihitsoka lalina ao anatin'ny faharatsiana, fahasahiranana, fahoriana: Milentika ao anatin' ny fahotana ny olona sasany. • Miraikitra, voasokitra: Milentika ato am-poko ny teninao. • Mijanona ela be amin'ny toerana iray: Nahoana no nilentika tany an-tsena tany ise? Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0067