Dikan'ny teny : milamina
Hampiditra dikany hafa
(lamina) mt. s. na p. t. (milamina): Milahatra tsara: Mahafinaritra ny mijery izao boky milamina izao. • Mirindra, milanto, mandeha tsara: Hatramin'ny nahatongauan'io mpampiasa io, mi-lamina tsara ny raharaha. • Voamboatra, voavitrana, voarindra: Efa milamina ny fihauananay. ? Tsy mikorontana, voakarakara ka amin'ny toerana tokony hisy azy avy ny zavatra: Milamina tsara ianareo izany. / Izany ka tokantrano milamina. + Tsy misy zavatra manembantsembana, misosa tsara: Nilamina tsara ny dianay. ¶ M.h.: Mimpirina, milanto, mirindra, miravona, mande-ha tsara, mizotra milamina, misononoka, misosa, tsy misy vato manoha riana, tsy misy volo manoha randrana, Mandamina, mandahatra, mampirina, mandrindra, manala olana, mampirindra, mikirakira, mandanto, mandravona, mamboatra, mikojakoja, mikarakara, mikajikajy.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha