Dikan'ny teny : mikoa
Hampiditra dikany hafa
(koa) mt. s.: Mianjera mikororosy eo an-toerana: Mikoa ny ampiantany. ΒΆ M. h.: Mihetsaka, miletsy. ? Midaboka rehefa avy miendaka: Mikoa ny lalotra ka soloy. - F.-p.: Mikoan'ny nahiny: mianjera ho azy (marihina fa na dia mt. s. aza ny "mikoa" dia mety harafitra aminy ny mpanao ny asa tahaka ny hita amin'ny hoe "milonjehitry ny voany ny paiso", ohatra). * Ohab.: Mikoan'ny nahiny ohatra ny ampango tra-maraina: enti-milaza ny zavatra rehetra mianjera ho azy rehefa tonga ny fotoany na dia tsy nisy nampianjera aza.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha