Dikan'ny teny : mihomehy

Hampiditra dikany hafa
(homehy) m.t, p. na mt. s. (mihomeheza): Misoka-molotra mampiseho nify ho fanehoana hafaliana: Vao iray volana, hono, ity zaza ity dia nihomehy, ? Marnazivazy: Nihomehy an'ilay Rangahy be kibo daholo ny ankizy. ? Maneso, manakora: Tsy fanao ny mihomehy ny resy. ΒΆ M,h,: Mitokelaka, lokin' ny hehy, latsaky ny hehy, dangin'ny hehy, ridan'ny hehy, jihitry ny hehy, tsipaky ny hehy, toran'ny hehy, matin'ny hehy, miatatry ny hehy, mibokitra (ny tehezana), tsy manana aina, mivadika aty, tapa-tsinay, mivanika, mivanitika, manahy nify, mampiseho katsaka, mihomehy mihimoka, mihomehy tsy vaky, mikakakaka, mitokaka, manao hehy voraka, mihomehy ra, mihomehy mikafana, manao hehy valaka, manao farahehy, mivanivany, mikanikany, mikimokimoka, mikikikiky, mitsiky, mitsikitsiky, mitsiky tsy ravo, mitsiky mahalana, mitsiky vazana. Mampihomehy, mahatsikaiky, mampivadika aty, manapa-tsinay, mampitokelaka, hatsikana, katsikana. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0619