Dikan'ny teny : mihetsiketsika

Hampiditra dikany hafa
(hetsiketsika) mt. s. (mihetsiketseha): Mihevingevina: Mihetsiketsika ny tohatra fa tazony mafy. * Tsy mipetraka tsara fa mikofokofoka, mipelipelika: Ny zaza matetika no mihetsiketsika any an-trano fiuoriana. • Miheninkenina, misahirana mafy, mipopoka: Nihetsiketsika fatratra izy tamin'iny raharaha iny. 1 Mihaingo, miraratra, miramarama: Mihetsiketsika erjr ry zareo ato avaratra fa uao nahalafo trano, hono. a F.-p.: Mihetsika ny aretiny: ilazana ny fisarongatry ny aetin'ny olona iray izay efa mpitaiza na mpahazo azy. / Mihetsiketsika Ranona iny ankehitriny: manjary kasikasy na mihaingo na manao fiainana ilay olona. / Hihetsika ny Razana taona ito: fanambarana fa hamono lamba na hamadidrazana amin'ity taon ity. / Sitrany ahay vaza-mihetsika: hoy ny ohabolana feno: Lambo mitsako moka, ka sitrany ahay vaza-mihetsika: izany hoe hararaotina izay hita, na dia kely dia kely aza, fa aleo homana kely toy izay handry fotsy. ¶ M.h.: Mihetsiketsika, mihendrahendra, mihozongozona, mihontsinkontsina, mirona, mironjina, mivena, mivenjina, mitovezina, mikofoka, mikofokofoka, mitsikofokofoka, mitsikorofoka, mitakorofoka, mipelipelika, mipilaka, mikopaka, mikoropaka, mitrifantrifana, mihovihovy, mihovotrovotra, mihararetra, mipararetra, mipendrampendrana, mihevingevina, mikivilivily, misavilivily, mikipilipily, mikopakopaka, mihofahofa, mihofakofaka, mihahohaho, mi hetsiketsika, misangodina, misangodingodina, mitambolina, mirondrona, mivezimbezina. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0066