Dikan'ny teny : mihazakazaka
Hampiditra dikany hafa
(hazakazaka) mt. s. (mihazakazaha): Mandeha haingana dia haingana: Mahery mihazakazaka ny aositrisy, • Mila vonjy, manatona hangata-bonjy: Nihazakazaka aty aminao aho fa misy mahaporitra ahy kely. * Ohab.: Mihazakazaka tratran'ny miadana: enti-milaza ny olona mirotoroto foana na maimay fotsiny fa tsy mahatozo ka tratran'ny mande-ha milamina tsy miriodriotra firy. ¶ M.h.: Mandainday, mande-ha haingana, mandeha toy ny tadio, mandeha toy ny tselatra, mandeha toy ny sitimo, mirimorimo, mimaona, miriotra, mirifatra, mitsoriaka, mikaretsaka, mandrivotra, mirintona, mirodorodo, miridana, mirotoroto, midodododo, miritirity, manidina, manao antsaikona, manao rarangy, manao tongomalady, manao tongotra ankatoka.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha