Dikan'ny teny : mihaino
Hampiditra dikany hafa
(haino) mt, p. (mihainoa): Manongilan-tsofina mba handre: Misy mihaino antsika fa aza miteny mafy. ? Manaraka, manaiky: Hihaino ny teniko ihany hay ianao! - F.-p.: Mihaino fe tsy mihaino: mihaino fotsiny fa tsy manisy fieritreretana./Mihaino ny feon'ny fieritreretana: mandinika sy misaina tsara mba tsy hanenjehan'ny eritreritra ny tena any aorian' izay atao. / Mihaino vilana: tsy mahare izay lazaina manontolo fa ny sasany fotsiny ihany, hany ka tonga diso ny tena heviny.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha