Dikan'ny teny : mangetaheta

Hampiditra dikany hafa
(hetaheta) mt. s.: Maimay hisotro, te hisotro mafy: Mahafinaritra raha mangetaheta ka sendra rano madio mangalahala ? Maniry mafy hahazo, mitsiriritra lava tsy mety afa-po: Mangetaheta voninahitra Rangahy io. - Mangetaheta ny rariny: maniry ny rariny hanjaka tanteraka. * Ohab.: Mangetaheta ambony lakana, mosarena ambody sompitra: entina milaza tsy fahafaham-po amin'izay misy sy hita eo akaiky. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0074