Dikan'ny teny : manendro

Hampiditra dikany hafa
(tendro) mt. p. (manendroa): Mandray zavatra amin'ny tendrony. 1 Mananika eny an-tendrony (havoana). - F.-p.: Manendro volana: enti-milaza ny vehivavy bevohoka ka ho teraka amin' ilay volana iresahana iny ihany. f Manendro havanana, manendro hauia: baikomiaramila milaza fitodihana miankavanana na miankavia. / Manendrom-bohitra: mitsangantsangana eny an-tendrombbhitra mba hanao firavoravoana, fa indrindra mba hanao fitondran-tena ratsy (voararan'ny lalàna mafy fahizay ny manendrombohitra nandritra ny fisaonana ny mpanjaka raha nisy mpanjaka niamboho). Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0071