Dikan'ny teny : manàna

Hampiditra dikany hafa
1. Manana (anana) mt.p. (manàna): Enti-milaza fa tompon' ny zavatra iray: Manana satrobory Isambilo. / Manampanahy Rasoa - F.-p.: Manana anarana: manan-daza, fantatr' olona. 1 Manan-draharaha: misy mahasahirana, be raharaha: A-za fady fa manan-draharaha aho ka tsy ho afaka rahampitso. / Manan-jara: ambinina, tsara vintana. / Mana-manjo: maty havana, manan-kavana nody mandry. ¶ M.h.: Tompo-manjo, tompom-pahoriana. / Manan-jo: Manan-kasina. / Manan-tsy mamanga: mahazo zavatra maimaimpoana, tsy mividy vola. J Manan-janaka: manan-janaka torontoronina ao an-kibo, mitoe-jaza. / Manana alahe-!o: manome tsiny: Manana alahelo aminao, hono, izy no-ho ny tsy nanatrehanao ny fanambadiany. / Manan-kabary: manana ady, manana fifanolanana amin'olona, / Manan-kasina: misy hery am. sy lehibe: Manan-kasina ny tanindrazana. * Ohab.: Izay tondraka anio manan-jara; izay ho ampitso ka ho hitanao: fitenin'ireo mpirobaroba izay tsy mitsinjo ny ho avy fa faly ny handany anio izay azo anio ihany. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2. (hana) mt.s.: Maka na misambo-bola misy zanany. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0071