Dikan'ny teny : mamindro
Hampiditra dikany hafa
(mindro) mt. s. (mamindroa): Mipetraka eo anoloan'ny afo mba hahazo hafanana; manafana tena eo akaikin'ny afo. * F.-p.: Manao kely tsy mba mamindro: manositosika ny madinika. * Ohab.: Afo tavitra tsy azo amindroana: tsy azo ianteherana hamonjy, raha misy loza, ny havana mipetraka any lavitra. / Raha mamatra mihoatra ny feno, raraka; raha mihinana mihoatra ny voky manevika; raha mamindro mihoatra ny toko, may; raha mandry mihoatra ny farafara, mianjera: tokony hahalala onony amin'izay rehetra atao, fa raha tsy izany, fahavoazana no mety ho hita.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha