Dikan'ny teny : haingana

Hampiditra dikany hafa
1. na Faingana p. mt.: Mandritra ny fotoana fohy, malaky: Mihinana haingana. ? Rehefa afaka fotoana fohy, vetivety: Hiverina haingana aho. ? Tsy ela, tsY maharitra, tsy mangataka andro: Valio haingana ny taratasy. ? p.t.: Malaky: Haingam-piteny izy. - t.i.f.: Haingana 1 mahahaingana. ¶ M.h.: Faingana, vetivety, vetivetika, mbetivety, tsielatsiela, tsy ahamana-menaka, tsy hitahita akory, tsy trabady mantsaka, indray mihelina, indray miserana, indray mipi-maso, indray mihelatra, poatoizay, eo no ho eo, miaraka amin'izay, miaraka amin'ny vava, miaraka amin' ny vava miteny. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2. Haingàna (haingana) f. m.: Tongava rehefa afaka vetivety: Haingàna fa sao diso fotoana isika Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131