Dikan'ny teny : fito

Hampiditra dikany hafa
p.i.: Enina ampiana iray: Misy andro fito ao anatin' ny herinandro. • h.i: Ilazana zavatra betsaka: Hanimpito loha. - t.i.f,: Fitoina / manafito, fanafito, mpanafito / anafitoana, fanafitoana / mifito, fifito, mpifito / ifitoana, fifitoana ) fahafito / impito / manimpito, fanimpitony / tsifitofito / ampahafito / hafitoana. - F.-p.: Miteraha fito bah y, fito vavy: firariana atao ho an'ny mpivady vao mba hiteraka maro, ho maro faxa sy dimby. / Hady fito sosona: hady lalina dia lalina. / Hanim-pito loha: sakafo ma-ro karazana. / Harom-pito sosona: enti-milaza fitahirizan-javatra mahafa-po fa voaro sy voatandrina tsara ny zavatra ao. /Haizim-pito: haizina mikitroka. / Impito mandifotra olona: (jer, impito). / Ilay fito: andro misy orana misesy mandritra ny herinandro. / Satroka fito rantsana: satrok'andriana, * Ohab.: Zaza fito tsy mahafehy trano, fanahy fito no mahafehy trano: tsy ny hamaroan'ny zanaka akory no mety hahasakana ny mpivady tsy hisaraka fa ny toetra soa maro sy ny hatsarampanahy ananany. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1019