Dikan'ny teny : fisavana

Hampiditra dikany vaovao
1 (sava) a.: Fampihatahana na fanesorana ny zavatra manodidina: Ny fisavana ny ahitra no nahitana ilay vola very. ? Fikarohana, fitadiavana zavatra eny amin' ny tenan'ny olona iray na ao an-tranony: Naharitra adiny iray ny fisavana ireo nahina ho mpangalatra. 1 Fanalana izay zavatra manelingelina: Vao fisavana ranonando fotsiny izao. ? Fialana, fisindana: Fisavan'ny zavona indrindra tamin'izay. ~ Fihenana, fialana: Fisavan'ny aretina izao, hoy ny dokotera, fa aza matahotra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel