Dikan'ny teny : fery

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fahatriaran'ny nofo noho ny fera. harnaizana na vay: Lalina ny fery. / Tokony hofehezina tsara ny ferin' ity mpilaiao naratro ? H. o.: Kilema, triatra kely: Efa nisy feriny io vilany io ka tsy mahagaga raha vaky. •Henatra, fahafaham-baraka: Fery ho an'ny fianakaviana izao nataonao izao, anakal - t.i.f.: Ferena, ferezina, voafery. - F,-p.: Ferin'aina: fahoriana entina an-kasarotana mafy, ka efa atao mampijaly ny tena aoka izany (fiteny koa ny hoe feritr'aina, izay an-gamba avy amin'ny fanaovana ny na ho tra fotsiny ihany), / Miferin'aina na mfferitr'aina: mijaly tsindrian'alahelo aoka izany. / Fery mihady: fery mandoaka toy ny homamiadana. / Ferin-jaza: ferin'ny fandidiam-poitra. / Mamangy ferin-jaza: mamangy zaza avy nodidiam-poitra. / Moraim-pery: enti-milaza zaza nodidiam-poitra izay sitrana haingana ny fexinY. / Miari-pery: mizaka izay mahazo. / Mahari-pery: mahazaka izay fahavoazana manjò. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel