Dikan'ny teny : damà

Hampiditra dikany hafa
1. a. : Karazan-damba. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2. Dama a : Karazam-panoto be loba fitotoana tany mba hifatratra tsara. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
3. Dama (fr. damier) a : Kilalaontsaina misy efitrefitra zato, mainty sy fotsy mifandimbindimby; ny vato dia voalahatra amin'ny laharan'efitrefitra roa farany, amin'ny andaniny sy an-kilany, ka mandroso izy ireo amin'ny laharan'efitrefitra tsy misy vato, ary dia mifampihinana amin' izay; ny an'ny dama, ihoarana no fihinana ny vato fa tsy tahaka ny an'ny fanorona izay aroso amin'ny toerana iray banga ka lany daholo ny vaton'ny ankilany amin'ny hitsin'ny tsipika nandrosoana azy; izay tapitra aloha ny vâto no resy toy ny amin'ny fanoronaihany. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0609