Dikan'ny teny : avàna
Hampiditra dikany hafa
1.
Avana na Antsibenandriamanitra a: Zava-miseho indraindray eny amin'ny habakabaka, rehefa misy orana, izay miendrika andohalambo makadiry mipaka amin'ny lanin'ny vodilanitra roa, ary misy loko fito fototry ny loko rehetra: mena volondaoranjy, vony, maitso, manga, angana ary volomparasy; rehefa misy avana miseho dia fambara fa efa hitsahatra ny orana. - t.i.f: Mavana, mavamavana.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2.
(ava) mt. ih. (avao): Enti-milaza ny voly izay karakaraina ka ongotana ny ahidratsy maniry eo aminY: E fa tokony havana ity tanimbary it? fa be loatra ireo ahidratsy.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
3.
(vona) mt. at. (avonao): Asiana vôna: Avonao isaky ny iray matera io tady io.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha