Dikan'ny teny : votsa
Hampiditra dikany hafa
p.t.: Tsy kinga, mitaredretra, mitavozavoza: Votsa loatra ity mpiasa ity. 1 Tsy mahay, osa: Mbola votsa ity zaza ity ka tokony hampianarina manokana. 1 Miadana: Votsa fandeha. - t.i.f.: Mahavotsa / havotsana / fahavotsana. - F.-p.: Votsa raina: ela vao mahatakatra ny teny voalaza, na tsy ampiampy fiheverana loatra. / Votsa tanana: milaiko sy milamin-doatra eo am-panaovana raharaha na asa atao amin'ny tanana. / Votsa voua: enti-milaza zaza tratra aoriana amin'ny fitenenana na olona miadampiteny ary tsy mahavoaka izay tiany holazaina raha tsy efa ela fa miahotrahotra.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha