Dikan'ny teny : voly
Hampiditra dikany hafa
1.
p. t.: Dontodonto tsy mahare raha tohinina;ankonankona noho ny hasasarana mafy na noho ny fiforetana ela tsy mihetsika; ngoly: Voly ny tongotro izany. ô t.Lf.: Mahavoly I volivoly / mamolivoly, famolivoly, mpamolivoly / amolivoliana, famolivoliana.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2.
a.: Famafazana voan-javamaniry na fanatsatohana tahon-lavamaniry amin'ny tany mba haniry: Anisan'ny mora hatao ny voly mangahazo. ~ Ireo zavamaniry afafy na atsatoka: Tandremo sao dia voahitsakao ireto volin'olona ireto! - t.i.f.: Volena, ambolèna, voavoly 1 mamboly, famboly, mpamboly 1 ambolena, fambolena / mifamboly 1 mahavoly.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha