Dikan'ny teny : tsindry
Hampiditra dikany hafa
a.: Zavatra apetraka eo ambonin ny zavatra hafa: Tsindry akanjo. 1 Fanaingenana zavatra eo ambonin' ny zavatra hafa: Natao vato tsindry hahazana. 1 Fanampiana zavatra amboniny: Tsindrim-barotra. - t.i.f.: Tsindriana, atsindry, voatsindry, tsinindry, tafatsindry I manindry, fanindry, mpanindry 1 anindriana, fanindriana I mifanindry 1 mampifanindry 1 mampanindry 1 mitsindry, fitsindry / itsindriana, fitsindriana 1 mahatsindry. 1 tsindritsindry. ? F.-p.: Tsindry fe: fahiny, teny nilazana ny mpanompovavy nalain'ny tompony ho vady. / Tsindry hahazana: vato anindriana ny zoro efatry ny tsihy misy vary na zavatra hafa mihahy. / Tsindry hazo lena: (taloha) fanombotombohana, (ankehitriny) fanararaotan-kery sy fahefana handrombahana ankeriny ny fananan'ny madinika. / Tsindry ladina: fomba fampaniriana hazo izay folahana atao anaty tany ny tahony nefa tsy sarahana amin-dreniny, ary dia maniry faka ao. I Tsindry lahy: fampifangaroana vary samy hafa karazana. / Tsindry lany: enti-milaza zavatra iverenan-dava tsy misy farany. / Tsindry mandry: fahitàna an'eritreritra (noheverin'ny Ntaolo fa nanindry na niteny tamin'ny velona ny fanahin'ny olona efa maty). / Tsindrin-tsakafo: kaninkanina aorian'ny sakafo, toy ny voankazo izany, ans... I Tsindry varotra na tsindrim-barotra: zavatra atao fanampim-barotra mba hamalifaliana sy hanomezana fahafaham-po ny mpividy. / Tsindry hisatra: ilazana ilay fitaovana itsahana ho fampandehanana mora, na fampiatoana tanteraka ny fiara
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha