Dikan'ny teny : tombana
Hampiditra dikany hafa
1.
a.: Ny bainga avadiky ny angady amin'ny fiasana ny tany. - F.-p.: Mamaky tombana: mamakivaky ny baingasy ny dongondongona. J Tombamboroka: ny bainga mivadika miaraka amin'ny ahitra naniry eo amboniny, ka lasa zezika rehefa lo ao anaty tany ny ahitra. I Tomban-tsy ambolena: bainga avadika nefa tsy volena na inona na inona. • h.o,: Zavatra tombanana ambony dia ambony mba tsy haharaikitra azy.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2.
a.: Faminavinana izay tokony ho vidin'ny zavatra iray: Araka n? hevitrao, ohatrinona no tomban' ity trano ity? - t.i.f.: Tombanana, voatombana, tknombana l manombana, fanombana, mpanombana 1 anombanana, fanombanana 1 mitombana, fitombana 1 mahatombana. - F.-p.: Tomba-maso: vina-vina atao araka ny fijere-maso fotsiny. J Tomban-dahy: vehivavy henjankenjam-pihetsika, manao toetoe-dehilahy amin'ny ataony.JMitombandahy: enti-milaza vehivavy na lehilahy feno herimpo hanatontosa sy hanatanteraka ny adidy aman'andraikitra raisiny.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha