Dikan'ny teny : tokotany

Hampiditra dikany hafa
na Kototany a.: Ny tany manodidina ny trano miorina na ny fasana: Tokotanim pasana. ~ Tany voafaritra —ary matetika aza voafefy — miankina amin' ny trano iray, ka atao hilalaovan'ny ankizy: Ndeha milalao any an-tokotanyl ? h. o.: a) Ny ankevitry ny tombam-bidin'ny zavatra iray: Tsy mihoatra ny iray alina ny tokotanim-barotr'io olona io. -b) Antoka: Ny karaman'ny mpiasa iray volana ity mbola tsisy tokotaniny akory. -d) Faritra: Tsy dia manahoana ny tokotanimpahaizan'io tovolahy io. -e) Fitambarana: Tsotra nefa mendrika ary mahatehotia ny tokotanin'endriny. -f) Ny loko hita ho be indrindra amin'ny sary izay misy loko maro: Inona no lokon'ny tokotanin'ilay akanjonao vaovao izay? Misy sarim-boninkazo fotsy sy marra), fa man-go ny tokntaniny. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734