Dikan'ny teny : takatra

Hampiditra dikany hafa
1. t. ih.: Tratran'ny tanana, azon'ny tanana raisina: Tsy takatro io voankazo io fa avo loatra. / Vakin'io zaza kely io izay rehetra takany. ? Mety ho tratran-javatra atsipy na atoraka: Ho taka-toraka va re iry trano mena-mena, iry? Mety ho vita noho ny fananana saina, vola: Lafo loatra izany ka tsy takatry ny volako - t.i.f.: Takarina, atakatra, voatakatra, tinakatra / manakatra, fanakatra, mpanakatra / anakarana, fanakarana / mifanakatra 1 mahatakatra. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2. a.: Voronamitovitovy habe amin'ny vantotr'akoho saingy lava vozona sy lava vava, nefa ny bikan'ny lohany no manaitra avy hatrany fa tazana mandrakariva toa fisaka, nefa ny marina dia ny volony no somary lava eo ankatony sady mitsangan-dava misandrahaka; ny volon' endriky ny tenany rehetra dia manja vasoka. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0452