Dikan'ny teny : taikomby
Hampiditra dikany hafa
1.
na Taikombindoha a.: Hofakofaka mainty mitakovana amin'ny lohan-jazakely ka mety miendaka ho azy na kikisana mba hiala.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2.
na Taik'omby a.: Fivalanan'ny omby, dikin' omby. - F.-p.: Taikombin-doha: hofakofaka mainty mitakovana eo amin'ny lohan'ny zazakely vao teraka, eo ambonin'ny handriny. / Tain' omby mivadika: fiteny fandre matetika entina mahatsiahy ny fahamarinan'ny Ntaolo fahizay . (Nilaina na-tao zezika ny tain'omby ka samy naka izay hitany ny olona; raha misy tain'omby nivadika kosa anefa, dia tsy nisy sahy nikasika satria fambara izany fa tain'omby efa nofandrihan'olona io).
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha