Dikan'ny teny : rangy

Hampiditra dikany hafa
1. p.t.: Mahia, kaozatra, kangoaza. - t.i.f.: Mandrangy. - F.-p.: Rangy maso: lalimaso nefa mahery. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2. a.: Vato na vy na tandroka ahazoan'ny mpianala afo rehefa ampifampikasohiny. *Ohab.: Mpianala tsy mivatsy rangy: enti-milaza olona andeha hiasa ka tsy mitondra fitaovana. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
3. a.: Pitik'afo azo amin' ny vato mifampikasoka, ka iny tselatr'afo iny no mandray ny vorodamba na ny bozaka na ny ditin'akondro atao eo akaikiny. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
4. a.: Anaran-kazo mafy izaitsizy. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
5. a.: Hazondrano fandrarin'ny mpiandry omby hataony sarotro. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0074