Dikan'ny teny : protestanta

Hampiditra dikany hafa
(fr, protestant) a.: Antokom-pivavahana kristianina niforona tamin'ny tao-na 1530; ireto avy ny fotokevitra mampiavaka ny Protestanta sy ny Katolika: fiheverana fa samy mandray ny Soratra Masina araka ny fitsilovan'ny Fanahy Masina azy ny olona tsirairay — fa ny finoana dia ampy hahavonjy — tsy misy afa-tsy Sakramenta roa: ny batisa sy ny fanasan'ny Tompo — Andriamanitra irery no ivavahana sy omem-boninahitra ka voahataka araka izany ny fanajana amam-pangatahana amin'i Masina Maria sy ny Olomasina — tsy ekena ny konfesy na filazana ny fahotana mba hahazoana ny famotsorana. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0073