Dikan'ny teny : na
Hampiditra dikany hafa
1.
Teny mpampitohy. • Enti-milaza zavatra roa azo ifidianana: Fidio izay tianao na ny vola na ny voninahitra. • Enti-milaza olona, zavatra, toe-javatra daholobe tsy ankanavaka: Tonga tao daholo na lehilahy na vehivauy na antitra na tanora na kely na lehibe.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2.
ppk.: Heverina ho niavian' ny n' na n- ihany, izay ilazana tompon-javatra, saingy tsy fampiasa intsony ankehitriny afa-tsy: 1) raha milaza vidin-javatra: Vomanga-na volafolo; 2) amin'ny filazana izay olona nikendrena zavatra iray: Trano-na miaramila; 3) amin'ny filazana mpanao asan'ny iharana raha tsy voafaritra io mpanao asa io: Vita-na Malagasy.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
3.
Kianteny atao eo alohan' ny anarana iray, izay entimanazava anarana hafa voalaza eo aloha: Dia indro Antananariuo na ilay Analamanga fahiny.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha