Dikan'ny teny : mitsongo

Hampiditra dikany hafa
(tsongo) mt. p. (mitsongda): Maka anana ka ny hohon-tanana no anapahana azy: Lasa nitsongo anana i Fara. - F.-p.: Mitsongo dia: manaraka ny dia na izay alehan' ny mpangalatra na olon-dratsy amin'ny alalan'ny ody; manao ny raharahan'ny mpitsikilo; maka vovoka kely amin'ny tany nodiavin'olona iray ka manisy fanafody an' io. * Fiten.: Mandany andro ohatra ny lehilahy mitsongo anana: ny fanaovan-draharaha tsy mahazatra dia toy ny fanariana andro noho ny te-na tsy mahay ka very fotoana azon'ny fikaviaviana. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168