Dikan'ny teny : mitsinjo

Hampiditra dikany hafa
(tsinjo) mt. p. (mitsinjoua): Mitazana lavitra avy amin'ny toerana ambony: Mitsinjo ny eny an-tsaha rehetra eny izahay. • Manatrika: Tsy tsara, hoy ny Ntaolo, ny manorin-trano mitsinjo vasa lohasaha. ? Mitandrina, miambina: Mitsinjo sy mitahy ny uelona ve ny Razana? ? Mikarakara: Tokony hitsinjo ny ho auintsika isika dieny izao. - F.-p.: Mitsinjo avo auaratra: mihevitra loatra ny fananan'ny ray aman-dreny ka mihaitraitra tsy mety miasa na miahy tokantrano. / Tsinjo voron'i Mazoto: enti-milaza ireo mikendrikendry na mijerijery lavitra fotsiny raha misy haza tetehina ho azo; kanefa nony misy mahazo, manantena ny hiombona amin'ilay nahazo. / Tsy ahitamitsinjo: takariva somambisamby. * Ohab.: Tsy mitsinjo vody andro ho merika: tsy mahalala mitahiry vola ho amin' ny fotoana mety hahasahirana. ¶ M. h. : Miahy, mitsimbina, mitandrina, mandala, mitandro, misaingy. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0065