Dikan'ny teny : misambotra

Hampiditra dikany hafa
(sambotra) mt. p. (misambora): Manao izay hahazoana biby na vorona izay mandeha mafy, manidina, na mandositra; manenjika: Misambotra voangory ny ankizy rehefa hariva maizimbava vilany. / Maka na mandray olona nahavita heloka; mibeda: Tonga ny polisy dia nisambotra ilay olon•dratsy. 1 Mangataka vola na haninkohanina amin'olona, izay mbola haverina na hosoloana rehefa misy: Nisambotra ualopolo tamiko Rakoto fa hadinony tany an-trano, ho-no, ny poketrany. / Tonga teo Rasoa nisambo-bary fa rahariva, hono, hosoloany. - F.-p.: Misambo-boa tsy latsaka: maimaika hahazo zavatra tsy mbola azo antoka na teny enti-milaza fanamelohana ny hafa, na dia tsy mbola voazavany aza izay tiany hambara. ) Misamboteny: manao fanakianana avy hatrany amin'ny teny izay henony, ary dia iny no roritiny na tsy mbola reny aza ny teny rehetra mbola hambara aoriana. * Ohab.: Tsy misy misambo-balala ho an-janak'olona: enti-milaza fa samy mikarakara ny zanany sy ny ankohonany daholo fa tsy misy misasatra sy misahirana ho an'ny zanaky ny hafa akory. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0075