Dikan'ny teny : misalasala

Hampiditra dikany hafa
(salasala) mt. s. (misalasalà): Tsy tapa-kevitra amin'izay tokony hatao: Nisalasala tamin'izay tokony halehany izy, na ho any Antsahafiraisana na ho any Ankadindambo. ¶ M.h.: Miahanahana, miroahana, mihambahamba, miherohero, miahotrahotra, miambakavaka. 1 Tsy matoky fa marina: Misalasala amin'ny filazako angaha ianao? / Misalasala aho na ho avy izy na tsia. ¶ M,h.: Sanganehana, vaka, sadaika, sakodiavatra, haingihaingy, somaingisaingy, hangihangy, tsy tapa-kevitra, varakehaka, very fanahy, miroa saina, miroa hevitra, miroahana, miroanahana, mamokehana, mangezaheza, miakoriasa, mihambahamba, miambatrambatra, mihabahaba, mihazohazo, miahotrahotra, mihelohelo, miherohero. — Mampisalasala, mampiroaroa saina, manakà, manakalahy, manalasala, mahasadaika, atriatry, tsy main-tsy lena, vozon'akoho tanora, manao traingon'alika, basina ariary fito. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0324