Dikan'ny teny : miray

Hampiditra dikany hafa
(iray) mt. s. (miraisa): Mikambana:Tsy miray amin' olona ratsy fanahy tahaka an'ireny aho. ? Miombona zavatra tokana: Miray trano Rakoto sy ny zaodahiny (io hevitra io no hita amin'ny fombam-pitenenana maro toy ny hoe: miray hevitra, miray saina, miray tetika, miray fo, miray asa, miray dia...). • Mikambana amin' ny fanambadiana. • h.i.: Manao tokantranomaso, izany hoe miara-mitoetra tsy araka ny fanambadiana ara-dalàna: Efa telo tanna izy roa ireo no niray. ¶ M.h.: Miombona, mikambana, mitambatra, mivondrona. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008