Dikan'ny teny : mipoaka

Hampiditra dikany hafa
(poaka) mt. s. (mipoaha): Mamoaka feo mafy tampoka mirefotra (vato, vanja, basy, tafondro): Nipoaka ny tafondro ka nihovotrovotra ny trano. ~ Vaky miparitaka tampoka: Nipoaha ny fitaratra voan'ny vato. ~ (masoandro na ny andro) Miposaka, na amin'ny maraina na rehefa avy nandalo tao anaty rahona: Efa mipoaka ny andro ka andeha hanahy ny vary. ~ Mivoaka miseho hita ety ivelany, mirofotra: Tsy mbola nipoaka ny kitrotron'ny zanany. 1 Miseho miharihary, vaky: Nipoaka ny tetiky ry zareo ka henatra foana no hitany. 1 Nipoako ny ady lehibe no teraka ny zandriko. 1 Misy bontsina miseho, miempaka: Nipoaka ny tanako tamin'ny asa angady omaly sy afakomaly.• Mihamahia: Nipoaka Rakoto hatramin'izay naharariany izay. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0073