Dikan'ny teny : miliba

Hampiditra dikany hafa
(liba) mt s. (milibà): Manaram-po tanteraka, manao izay tiana sy danin'ny kibo: Miliba amin'ny fananany Rakoto. ? Mikarenjy, tia lalao sy fahafinaretana: Izay hianatra, nofy azy; miliba any amin'ny namany any foana izy. ¶ M,h.: Manaram-po, manaram-batana, migodana, migalabina, mianjady, manao ny danin'ny kibo, miala liana, manampatra, mihary zaka, mihenjy, mikarenjy, be haitraitra, be siasia, akanga, angatra, angelingely, "tondraka anio manan-jara, izay ho ampitso ka ho hitanao", manjehy ny andro ho lava, tsy mitsapa ny ho farany, tsy mijery ny lany, manarazn-po fahazaza ka maka kitay fotsy volo, manaram-po ohatra ny kary an'efitra, manampoka aina. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0072