Dikan'ny teny : miletra
Hampiditra dikany hafa
(letra) mt. s. (milera): Miditra ka tsy afa-mivoaka intsony: Miletra ao anatin' ny gadanà ny fanalahidy. ¶ M. h.: Mihizina, mihitsoka. • Miditra betsaka: Mbola miletra ato an-trano ihany ny olona, nefa efa tsy omby. ¶ M.h.: Misesika, misosososo, misisika. • Mihinana be dia be, manao voky hatenda: Niletra ny anao lahy omaly tany amin'ny fanasana ka nandraiki-narary. / Niletra vomanga Isambilo ka narary kibo (mt. p.).
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha