Dikan'ny teny : mikitrana
Hampiditra dikany hafa
(kitrana) mt, s. (mikitràna): Mamoaka feo toa feon-javatra vy maro mifampikasoka: Tamin'izahay nandeha nitsangantsangana tany Ambatofotsy, nikitrana ny vilany sy vilia tao anaty fiara. ? Miady vava, mifanditra: Mikitrana isan'andro izao izy mirahavavy ireo, ? Be dia be: Marina ve fa mikitrana ny omby any an-tsakalava? - F,-p.: Vy tsy mikitrana irery: raha misy miady, matetika saika samy manana hadisoana ihany na ny an-kilany na ny an-daniny.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha