Dikan'ny teny : mikapa

Hampiditra dikany hafa
1. (kapa) mt. s.: Manao kapa: Mandeha tsy mikapa. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2. (hapa)mt.p. (mikapà): Manapaka amin'ny famaky na antsibe: Lasa nikapa hazo any an'ala ny Dadan'i Lita. ¶ M.h.: Mamira. ~ Manamboatra mba hisy rirany mahitsy: Mahay mikapa vato Ra-koto. ¶ M.h.: Mipaika. • Mamely mafy amin'ny varotra, manao lafo izaitsizy, manondro-bidy tafahoatra: Loza io mpivarotra io raha hikapa. 1 Maka tsikelikely hatrany amin'ny variraiventy farany, manihika: Nikapa ny volaho rehetra ilay karilahy iny. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0676