Dikan'ny teny : mihiratra

Hampiditra dikany hafa
(hiratra) mt. s. (mihirata): Misoka-maso: Mbola matory va i Koto? Efa mihiratra izy; efa mihiratra ny masony. • h. i.: Marevaka: Mihiratra izaitsizy ity lamba ity. • Miseho avy ao anaty rahona, mazava rehefa avy nanjombona: Mihiratra indray ity ny andro. * F.-p.: Isan'andro mihiratra: isan 'an dro isan 'an dro; isan'andro vaky. / Tsy nisy andro nihiratra androany: ilazana andro merika na morana tsy nahitana hazavan' ny masoandro akory manontolo andro. / Ihiratan'Andriamanitra: ambinin'Andriamanitra, mahomby. * Ohab.: Ny tarehy an-dRahiratra fa ny vintana an-dRatsitamorainy: entina milaza fa tsy ny tarehy akory no hahazoana vady tsara na fiadanana, fa ny vintana izay mahatonga ho moramorainy. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081