Dikan'ny teny : maty

Hampiditra dikany hafa
p.t, na p,mt,: Afaka aina, tsy velona intsonY: Maty omaly ilay sakanay be volo ? h,i,: Voakapoka mafy: Ma. tin'i Dada aho raha manao izany, ? Tsy afa-mlasa tsy afa-mihetsika, tsy mandeha simba: Maty ny tongony ila~ ny ka mandringa izy, l Maty ny famantaranandroko./Maty feo ny anao fa nikiahiaka loatra. ? Tsy mirehitra intso. ny, milentika, tsy hita intsony (a fo, masoandro, volana): Omeo afo kely aho fa maty ny sigarako, / Efa maty ny masoandro. ? Lany, very, resy an-doka: Maty ariary zato tamin'ny loka izy, ? Tsy ampiasaina intsony, nofoanana, tsy andehanana intsony, tsy miasa intsony: Lalana efa maty izany, / Fiteny maty izany, ? Asiana izaitsizy: Matin'ny hafanana aho izany. ? Tia zavatra efa izaitsizy; entanin-javatra mihoa-PamPana: Matin'ny filan-dera ny anao ka nandray ny kihony. / Matin-kambo, / Ma_ timatim.bo ninahitra, - t.i.f.: Matesa / mahafaty / ahafatesana,fahafatesana. - F.-p,: Aza maty aho: teny atao hialan-tsiny raha nisy hadisoana tsy nahy vitan'ny tena, / Matesa anie aho alo. hanao: teny fanaon'ny efa zokinjokiny hanehoany ny fitiavanY ny zanany na izay zaza tiany. / Matim-pitia: ilazana ny olona voa mafy noho ny fitiavana nikirizana sy nfsisihan. / Matin-kam. bo: voan'ny fitiavana te hoderaderafm-poana tsy misy antony, ka mahita falsana noho izany. / Matin.kaninkely: simba na voa mafy no-ho ny sakafo na vola kely tsy toy Mana, / Matin.kely: ila. zana ny velam.panorona afaka satria tsy nisy azon'ny mpihinam-bela nohanina ny vato natolotry ny mpamono vela. /Matin-kenatra: tratran' ny henatra tafahoatra. / Ma. tin-kenamaso: resin'ny henamaso ka na zavatra tsy tiana aza atao ihany, / Maty andoha tandroka: fombam-piteny fanao amin'ny ady hevitra ka enti.milaza hoe vao miandoha dia resy. / Maty an.drano: latsaka anaty rano ka sempotra dia maty, / Ma- ty an-kanina: mahita loza amin'ny hatendana. / Maty an-karanana: enti-milaza ny atody tsy foy na dia efa namantsika aza. / Maty an.tady: maty am-pifatorana, / Maty antoka: tsy mahazo tombony fa ny masonkarena indray aza no nahabangana. / Maty an-trebony: matimaty foana tsy araka ny tokony ho izy, / Maty an_ tsalaka na maty an-tsikinana: ilazana vola na zava-tsarobidy tsy misaraka amin' ny tena ary kobonina tsy asehoseho. / Maty douy: zaza maty ray sy reny ka lasa mahaleo tena tsy fidiny. / Ma_ ty hanina: tompon-toerana raikitra. / Maty hena: efa niharam-pahoriana ka tsy mahatsiaro na inona na inona intsony. / Maty hento: miaina amim-pangirifiriana noho ny hadisoana. / Maty ho azy: maty tsy novonoln'ny sasanY na niharan-doza fa nindaosin'ny fahafatesana toy ny manana aina rehetra tapitra andro, / Maty holatra: ilazana fery efa sitrana ary tsy misy soritra intsony, / Maty lev y: enti-milaza izay voatrerona sy tenenin-dava tafahoatra. / Maty maso: tsy misy mpisolo na mpandimby ? ilazana koa ny voanjavamaniry izay vao mitsimoka dia mena. / Maty momba: maty tsy niteraka na tsy nisy mpandova. / Maty mai-na: vizaka fotsiny fa tsy nahazo na irions. na inona na dia sahirana fatratra aza, / Maty no uelona: ilazana izay tao anatin'ny loza lehibe, nefa velona soa aman-tsara ihany, / Maty paika: ilazana ny vatom-panoron tsy afamihetsika intsony fa voaterin'nY andaniny, h,i,: Vita vinavina tsara daholo tsY nisy nivaona. /Maty siontsiona: revon'ny zavatra diso ka manary dia sisa no atao / Maty tsy miteny: helohina tsy misy ady hevitra na fifanazavana ? maty tsy naharenesana ny didim-pananany. / Maty uao herotrerony: mbola tanora dia maty. /Maty volon' ny rats y: voaongan'ny olona mpialona, ny olona tia ratsy ho an'ny tena. / Tsy ho faty raha tsy ianjeran'ny tanantsatro: enti-milaza ny olona kanosa loatra noho ny taho. tra sao maratra, * Ohab,: Matim-pltla toa la. litra ka mitsoboka alohan'ny sotro: Enti-milaza ny fahavoazana ateraky ny saina tsy ampy ka maimay mitsoboka atsy sy arY. / Matin-kenamaso ka homam-barim-boka (jer. Matin-kenamaso). ? M,h,: Tsy miaina, modimandry, diso, nody vovoka, tapitra andro, lasan'Andriamanitra, lasan-ko razana, miamboho, lasa any an-koa. tra, lasa any amin'ny varotsy mifody, mandry eo am. bany rangolahy, miondambato mangatsiaka, nivoaka ny varavaran-kazo ka niditra ny varavaram-bato, jihitra, latsaka aina, jingy, dangy, fohatra, jedana, tsy tra-drano, mitsitra, manjahana Ratompokolahy (vavy), Rabevoina. Ahitsio
(10/03/2017 20:44 - Nampidirin'i hery)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0068